FOTSINY
Tiako fotsiny ianao
Tsy asiana hoe "nahoana"
Na tovonana "satria"
Fa tiako fotsiny am'zao
Tsy amerana fotoana
Fa tiako fotsiny doria
Ny "satria" sy ny "nahoana"
Mety ho takatry ny saina?
Tetika hikendrena laka...
Haingon-teny babangoana
Rindram-bolam-bery maina,
Ravina tsy misy faka
Tsy ny teny izay tononina
No hahafeno ny fitia
Efa feno rahateo.
Tsy ny toky izay foronina
Mora rava sy malia.
Fa ny fo tsy manam-peo
Rado
(chanté par Bodo=)
